|
|
| | | | |
|
| Teny iditra | 1 Dieny mbola velona aho |
| Singan-teny | 2dieny, 3mbola, 4velona, 5aho |
| Sokajin-teny | 6 anarana (lohatenin-tononkalo) [Fitanisana] |
| Voambolana | 7 Haisoratra: tononkalo |
| Mpanoratra |
8Rakotomalala-Rabarijaona Louis |
| Lahatsiratra manontolo |
9 Dieny mbola velona aho k'eto an-tany ny fanahiko, 10 Dia izao no voady masina tsy maintsy tanterahiko: 11 Ny fitiavana an'i Madagasikara tanindrazako 12 Sy ny Gasy manontolo rehareha sady lazako. 13 Dieny mbola velona aho ka mijoro koa ny vatako, 14 Dia ity no foto-kevitra tsy maintsy hosoratako: 15 Gasikarako malala dia voasokitra ao anatiko, 16 Hatr'izay nisiako'zany ka ho mandra-pahafatiko. 17 Dieny mbola velona aho ka ny masoko mihiratra, 18 Dia iriko ny hanondrotra ny Gasy mba hamiratra, 19 Ary 'zao no ventin-kevitra sy voady tena mamiko: 20 Ny handray ny Malagasy mba hitovy hevitra amiko. 21 Dieny mbola velona aho ka milamina ny fiainako, 22 Dia i Madagasikara no ao anatin'ny fisainako: 23 Io 'lay Nosiko malala'zay akany nahafoizana, 24 Ka ny hampisondrotra azy no kendreko hotohizana. 25 Eny, maty aza aho ka hikatona ny fasako, 26 Moa tsy Madagasikara ve no tsangambato' asako ? 27 Dia i Madagasikara Nosy mamy fikirizana, 28 Ka tsy levona ao am-poko fa natao fitehirizana. 29 Dieny mbola velona aho k'eto an-tany ny fanahiko, 30 Dia izao no voady masina tsy maintsy tanterahiko: 31 Ny fitiavana an'i Madagasikara tanindrazako 32 Sy ny Gasy manontolo rehareha sady lazako. |
| Nohavaozina tamin' ny 2025/09/13 |
|